Actualités

Madajeune Nahazo mari-pankasitrahana iraisam-pirenena


  • Alarobia 06 Jolay 2016

Tsy nijanona teto Madagasikara fa efa tsara laza hatrany ivelany ny fahaiza-manao sy ny fahamatoran’ny orinasa Madajeune, fantatra amin’ny fikarakarana ny hetsika

« salon des études supérieures » ary mamoaka ihany koa ny « guide des études et formations » natao indrindra hanampiana ireo tanora afaka ny fanadinana bakalorea amin’ny fisafidianana izay lalam-piofanana mety aminy na eto an-toerana izany na any ivelany. Nahazo ny mari-pankasitrahana  iraisam-pirenena « Prix international arch of europa 2016 for quality and technology » tany Frankfort-Allemagne ny 26 jona lasa teo ity orinasa Malagasy ity ka ny filoha mpanorina Lahatra Andriamahatsangy no nandray izany tany an-toerana. Ny Business Initiative Direction (BID) izay tarihan’i José E. Prieto no tompo-marika amin’ny fanomezana ity mari-pankasitrahana ity ka mason-tsivana isafidianana ireo orinasa mendrika ny resaka kalitao, fitarihana (leadership) ary ny firosoana amin’ny fivoarana tsara kokoa hatrany manaraka ny teknôlôjia. Manosika ny Madajeune hanavao sy hanatsara kokoa hatrany ny asa rehetra sahaniny izao fankasitrahana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena azony izao, hoy Atoa Lahatra Andriamahantsangy ary tsy maintsy hatsaraina hatrany ny vokatra atolotra ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa . Fantatra eo amin’ny fanomanana sy fikarakarana hetsika, lanonana sy fampirantiana isan-karazany ity orinasa tantanana tanora Malagasy ity.

RTT


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT