Actualités

Madagasikara sy Maorisy Ahiana ho efa misy silamo mahery fihetsika


  • Alatsinainy 27 Jona 2016

Amin’izao fotoana izao dia miomana fatratra ry zareo eo anivon’ny GIGN na ny hery vonjitaitran’ny zandarimariam-pirenena frantsay izay

 


 

 misy mitoby atsy amin’ny nosy La Réunion ny amin’ny fiatrehana ny mety ho fahatafidiran’ny silamo mahery fihetsika aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina. Anisan’ireo firenena lohalaharana ahiana ho mora hidiran’izany ny eto Madagasikara sy ny ao Maorisy, araka ny vaovao navoakan’ny mpanao gazety tany La Réunion. Manainga ny tafika rehetra aty amin’ny ranomasimbe indianina noho izany ireto GIGN ireto mba hiara-kientana amin’ny fisorohana ny tranga mety hiseho. Mety ho antony hahamora izay fidiran’ny silamo mahery fihetsika eto izay moa, raha ny voalaza  ny fisiana sy fanomezana alalana hanangana mosquée maro be eto Madagasikara tato ho ato. Eo ihany koa ny fahatsapana fa manomboka maro ny silamo miditra eto sy mihetsiketsika manao zavatra etsy sy eroa. Miezaka mambabo ny fon’ny olona izy ireo ary mijery manokana ireo sahirana na manana olana ka manampy sy mampianatra azy ireo. Tranga iray efa ahiana ho fambara ihany koa anefa ny fisian’ny fandatsahan-dra sy famonoan’olona mahatsiravina toy izay nitranga tany Beroroha farany teo.

Faralahimatoa   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT