Madagasikara - Indonezia

> Hohamafisina ny fiaraha-miasa ara-barotra


  • Zoma 29 Novambra 2013


Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny varotra Ramalason Olga tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Ambohidahy ny Mpiandraiki-draharahan’i Indonezia omaly alakamisy 28 novambra. Niarahan’ny roa tonta nidinika nandritra izany ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Indonezia, indrindra eo amin’ny resaka varotra iraisam-pirenena. Talohan’izao, tsiahivina ihany, dia efa nisy ny fampirahalahiana ny ivom-pampianarana INCC izay rantsamangaika ahian’ny ministeran’ny varotra eto Madagasikara amin’ny sampandraharahan’ny varotra any Indonezia. Nisy moa ny fanasan’ny minisitry ny varotra indonezianina ny minisitra Ramalason Olga hitsidika ny fireneny. Hisy, araka izany, ny fihaonana eo amin’ny minisitry ny varotry ny firenena roa tonta, izay hotanterahana any Bali Indonezia.

 

JD

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT