Actualités

Lycée Saint Joseph Alarobia Ambatomanga Manomana ny ankizy hiatrika tokantrano


  • Zoma 24 Jona 2016

Ankizy eo anelanelan’ny 11 ka hatramin’ny 14 taona miisa 30 avy amina fianakaviana sahirana ao an-toerana no angonin’ny Lycée Saint Joseph ao

 

Alarobia Ambatomanga P.K 17 lalana mankany Anjeva Faritra Analamanga mba omena fanampiana sy fiofanana hahafahan’izy ireo mitsinjo sahady ny lalan-kizorany rahatrizay izy lehibe. Araka ny fanazavan’ny mpampiofana iray eo anivon’ity lisea ity dia tsy vao haingana fa efa hatramin’ny taona 1970 no nanaovan’izy ireo izany. Tamin’ity taona ity kosa anefa izy ireo vao mba afaka nampiranty tao amin’ny « fihaonam-ben’ny tantsaha » ; izay tontosaina eny amin’ny BUCAS Antanimena  nanomboka ny alarobia lasa teo ary hifarana anio ; ny asa-tanana sy ny vokatry ny talentan’ireo ankizy izay nofaniny. Asa tanana maro samihafa toy ny rary, peta-kofehy sy haingo isan-karazany ary hatramin’ny hai-nahandro no arantin’izy ireo eny an-toerana. Tsy maka afa-tsy saram-pisoratana anarana izay mitentina 18.000 ariary isaky ny ankizy izahay, hoy ireo mpampiofana, ary efa tafiditra ao anatin’io vola io ihany koa ny saram-piantohana ho an’ireo kilonga. Ny saram-pianarana kosa anefa dia 3.500 ariary ary tao anatin’ny taona vitsivitsy izao dia nomena ampahany tamin’ny vidin’ireo asa tanany ireto ankizy ireto. Tsy fitadiavam-bola akory no tanjona fa ho fampianarana kosa ireo ankizy mba hahay hiomana amin’ny fiatrehana ny tokantranon’izy ireo rahatrizay.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT