Namoy ny ainy noho ny daroka nandritry ny fisamborana azy i Mouammar Kadhafi, tao Syrtes raha nikasa ny hiala io tanànany io izy mba hanavotana ny ainy.
Nisy ny fitifirana baomba avy eny ana habakabaka nataon’ny tafiky ny OTAN. Tsy izay anefa no tena nahafaty azy fa ny fisamboran’ny olon’ny CNT (Conseil National de Transition) izay nihaza azy hatry ny ela. Potipotika ny vatany noho ny daroka sy ny tifitra basy. Efa misy ny sary mandeha amin’ny tranonkala ary efa neken’ny manampahaizana fa tena izy ireo fa tsy ireny “photomontage” na sary namboarina ireny. Midika ho fifaranan’ny jadona, ho an’ny Afrikanina ary koa ho an’izao tontolo izao, ny fahafatesan’i Khadafi.
Hisy izany ato ho ato ny fananganana governemanta ao an-toerana saingy mandra-piandry izany aloha dia ny CNT no hitantana ny raharaha rehetra ao Lybie. Ao anatin’izay ihany koa dia andrandrain’ity firenena ity ny hametrahana lalàmpanorenana vaovao. Tapitra ny momba an’i Khadafi rehefa nanjaka 42 taona tao amin’ny fireneny izy. Teo ny jadona ary teo ihany koa ny fampiasana hafetsifetsena rehetra tamin’izany fifikirana ny seza izany. Anisan’ny voninahitra ho an’ny FAT ny nandraisany an’i Andry Rajoelina tamin’ny vao niongana ny fitondrana Ravalomanana. I Khadafi mantsy no nanaiky voalohany ny FAT amin’ny maha mpanongam-panjakana azy ary efa ananany traikefa rahateo izany. Dia izao no niafaran’ilay maodely ho an’ny sasany.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.