Lozam-pifamoivoizana

> Fiara roa indray potika teo Ambohidahy


  • Alatsinainy 11 Novambra 2013


Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo am-pidinana an’Ambohidahy hihazo an’Anosy iny omaly alahady antoandro. Fiara 4x4 marika Hyundai Terracan miakatra no nifandona tamina fiara Renault 25.  Mafy ny fifandonana satria dia nifatratra tamin’ny rindrim-baton’ny Lapan’ny faritany ary tavela mihitsy ilay fiara tsy mataho-dalana rehefa avy nidona tamin’ilay fiara Renault, izay potika be ihany koa ny faritra anoloany. Vokatry ny fandehanana mafy tsy manaja ny lalan’ny fifamoivoizana nefa anaty tanàn-dehibe no anton’ny loza, tranga izay vao mainka mampitombo ny ahiahy amin’ny fahazoana «permis». Marihina fa niteraka fitohanan’ny fiara mandrapaharivan’ny andro ny fisian’io lozam-pifamoivoizana io.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT