Lozam-piarakodia tao Savalaina - Brickaville

> 07 maty, 06 naratra mafy, mialangalana ny kaoperativa


  • Alatsinainy 03 Febroary 2014

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena faha-2 ny sabotsy 01 febroary teo. Fiara Minibus an’ny kaoperativa “Anjara Trans”, manao zotra Antananarivo-Toamasina no tra-doza tao Savalaina Brickaville, 70km eo ho eo miala an’i Toamasina renivohitra, manaraka ny lalam-pirenena faharoa.

Hatramin’ny omaly nanaovana ny fanadihadiana dia tsy mbola hita teny amin’ny hopitaly be nitsaboana ireo mpandeha tamin’io fiara io, ny tompon’andraikitry ny kaoperativa mba nanampy ireo olona nandoa saran-dalana ara-dalàna, ary tokony hisy fiantohana amin’ny loza mihatra eny an-dalana. Raha ny zava-nisy dia tra-doza noho ny fihoarana kamiao ity fiara minibus ity teo amin’ny fiakarana tao Savalaina io sabotsy io tokony ho tamin’ny 10ora maraina. Nifanehitra tamin’ny kamiao avy aty Antananarivo nidina hihazo an’i Toamasina ilay fiara mpitatitra. Tsy azo nialana intsony ny fifandonana, hany ka tafasitrika teo amin’ny lohan’ilay kamiao mihitsy ny lohan’ilay fiara minibus. Vokany, maty avy hatrany ny mpandeha efatra nentiny. Naratra mafy nisy sivy ka nentina namonjy ny hopitaly be tao Toamasina. Tokony ho tamin’ny 12ora sy 15 minitra ireo maratra ireo tonga teo anatrehan’ireo mpitsabo, anisan’izany ny mpamily ny fiara minibus. Nisy roa maty teny an-dalana, ny iray kosa nodimandry tao amin’ny hopitaly be ny sabotsy tamin’ny valo ora sy sasany alina. Hatramin’ny omaly alahady dia mpandeha efatra tamin’ireo naratra no mbola tsaboina eo anivon’ny hopitaly be, tsy an’isan’izany ilay lehilahy mpiasan’ny ASECNA Toamasina, izay noraisin’ny mpampiasa azy an-tanana ka nentina notsaboina eto Antananarivo hatramin’ny omaly. Misy roa mbola tsaboina eo anivon’ny sampana fameloman’aina ao amin’ny hopitaly be, ary tena mbola atahorana ny ain’izy ireo noho ny fahatapahana sy dona mafy loatra tamin’ny loha ary ireo ra mihandrona any anatiny. Milaza ny efa mandray an-tanana 100% ireto niharam-boina ny hopitaly be Toamasina, araka ny nambaran’ny taleny. Ireo maty ihany koa dia efa samy nalain’ny havany avokoa hatramin’ny sabotsy alina ihany. Ankoatra izay, dia mitaky ny fanampiana ataon’ny kaoperativa ireo mpandeha ara-dalàna nentiny amin’izao fahavoazana izao ireo fianakavian’ny maratra sy ny maty.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT