Tsy vitsy ireo mpanao gazety fahiny izay lasa tompon’andraikitra ambony ao anatin’ny fitondram-panjakana ao ankehitriny.
Manoloana ny loza mitatao amin’ny fahalalahana hiteny sy ny zo hahazo vaovao amin’izao fotoana izao izay ilana betsaka ny fanohanan’izy ireo ny mpanao gazety namany dia tsy dia tsy henoheno feo firy izy ireny. Anisan’ny niady sy nitaky matetika ny hampanjakana ny fahalalahana hiteny, ohatra, ny minisitry ny mponina tamin’ny alalan’ilay fandaharany nalaza tamina fahita lavitra iray. Hatreto anefa dia tsy fantatra mazava ny heviny mikasika ny toe-draharaha mianjady amin’ny tontolon’ny haino aman-jery sy ny serasera amin’izao fotoana izao. Efa tao anatin’ity sehatra ity koa ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ankehitriny fa dia mitazam-potsiny avy lavitra ihany koa. Ny tena nanahirana dia ny mieritreritra fa misy talen’ny famoahan-gazety teo aloha lasa loholona nefa dia ity andrim-panjakana ity mihitsy no nandany voalohany ilay lalàna sadasada mifehy ny serasera izay efa tena hita fa poizina ho an’ny maro ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.