Feno 30 taona katroka amin’ny 14 febroary izao ny nitsanganan’ny Lions Club Antananarivo Vohitsara ara-dalàna. Homarihina makotrokotroka izany amin’io andro io ary hisy hetsika fanangonam-bola hoenti-mihetsika manampy ny mpiara-belona.
Ny alakamisy 6 febroary anefa dia hisy ny valandresaka hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo ka hivoizana ny lohahevitra : “ny andraikitry ny Lionisma ao an-tanàna, ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo ho an’ny zaza madinika ary ny fahazoana rano fisotro madio ho an’ny daholobe”. Amin’izao famaramparanana ny fitantanako an’ity Lions Club Antananarivo Vohitsara ity izao, hoy Atoa Ratsimivony Jean-Claude dia hampiharina ara-bakiteny ny filamatra nentin’ny filoha mpanorina ny Lions Club International, Melvin Johns manao hoe “tsy afaka handeha alavitra eo amin’ny fiainana raha tsy manomboka manao zavatra ho an’ny hafa aloha”. Hihetsika izahay, hoy izy, hanatanteraka ny tetikasa mandritra ny telo taona hiady amin’ny tsy fahampian-tsakafo eo amin’ny zaza. Zaza latsaky ny 2 taona avy amin’ny fianakaviana miisa 3.000 no homena sakafo feno. Hametraka toeram-pantsakana hahazoan’ny mponina migoka sy misotro rano madio voatatavana koa izahay Lions Club Antananarivo Vohitsara, hoy ity filohany ity. Tetsy Antsakaviro omaly no nampahafantaran’ity Lions ity an’ireo rehetra ireo.
Ireo tarehimarika tsara ho fantatra :
-Ny 50%-n’ny zaza Malagasy latsaky ny 2 taona no tsy ampy sakafo mandava-taona.
-Mahatara ara-tsaina sy fitomboan’ny vatan’ny zaza ny tsy fahampian-tsakafo.
-Fototry ny fahafatesan’ny 30%-n’ny zaza kely taona ny tsy fahampian-tsakafo
-Olona 1,9 tapitrisa no matin’ny tsy fisotroana rano madio maneran-tany, ao anatiny i Madagasikara.
-Zaza 1 tapitrisa isan-taona no maty noho ny fisotroana rano maloto.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.