Actualités

Leo faneriterena Hiteny amin'izay ny mpanao gazety


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Hanatanteraka fivoriambe etsy amin'ny Institution Sainte Famille Mahamasina ny mpanao gazety ny tolakandron’ny sabotsy 07 janoary 2012 izao, araka ny fanapahan-kevitra taorian'ny fivoriana nataon'ireo mpikambana vonjimaika mitarika ny COPP na "comité d’organisation provisoire de la presse” ny talata lasa teo.

 Be loatra mantsy ireo tsindry sy faneriterena nahazo ny mpanao gazety tato ho ato, raha tsy hilaza afa tsy ny fanenjehana sy fiantsoana mpanao gazety teny amin'ny zandary farany teo. Natao tsinontsinona ihany koa ny zon'ny mpanao gazety tsirairay ary zary manapa-kevitra samirery amin'ny anaran'ny holafitra iray manontolo mihitsy ny tompon'andraikitra ankehitriny toy ny fananganana ilay komitin'ny etika, izay tsy nakana ny hevitry ny maro akory. Nahatsapa, araka izany, ireo ao anatin'ny COPP fa efa sangy mihoatra ny loha no atao amin'ny mpanao gazety ankehitriny. Nikarakara ity fivoriambe ity noho izany ireo mpikambana izay hiantsoana ny mpanao gazety tsy an-kanavaka na an-tsoratra na amin'ny haino aman-jery. Afaka haneho ny heviny ny tsirairay amin'io fotoana io.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT