Nodimandry omaly alakamisy 13 febroary 2014 teo amin’ny faha-67 taonany Rakotosolofo Joseph na Solofo José no hamantaran’ny olona azy, solon’anarana entiny eo anivon’ny tontolon’ny kanto.
Mpampianatra taranja filozofia izy, mpandrindra an-tsehatra, anisan’ny andrarezin’ny mpamelona tantara amin’ny onjampeo ary tao amin’ny Radio Madagasikara no tena nampalaza azy, na maro aza ny onjam-peo nandefa ny sanganasany. Mpanoratra ihany koa ary anisan’ny nanorina ny Faribolana Sandratra. Efatra izy ireo no nanorina io sampana io dia i Elie Rajaonarison, Lydiary na Razaiarimanana Marie Lydia vady andefimandriny izay nodimandry ny 9 septambra 2012 ary Gérard Rakotoniaina hany sisa velona. Mpanoratra i Solofo José nanomboka ny taona 1967. Nataony avokoa na tononkalo, sombin-tantara, tantara fandefa amin’ny onjampeo na lahatsoratra famakafakana. Maro ireo amboaran-tononkalo navoakany dia ny Anokantsa (1996), Fotoana Mihantona (2009), Inona no miafina eto ? (2011), Angaliantsa (2013). Maro ny seho an-tsehatra nandraisany anjara toy ny “Dox mifoha”, Folera”, ny “Variraiventy farany” ... Talen’ny gazety Ambioka ary mpikambana tao amin’ny OMDA i Solofo José nialoha ny nahafatesany. Mirary fiononana feno ho an’ireo zanany sy ny fianakaviany ny gazety Tia tanindrazana.
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.