Toe-javatra manaitra ny mason’ny mpandalo etsy Analakely ny mahita ny fiovana tazana eo amin’ny faritry ny vavahady lehibe fidirana ao amin’ny Lapan’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra avy aty amin’ny lalana mandalo ny lycée Rabearivelo sy ny “Institut d’hygične social” iny.
Misy karazana tamboho rary biriky amin’ny an-daniny roa amin’ity vavahady ity ary misy lalotra simenitra manasaraka ny biriky miakatra sy ny vodivato aminy. Toerana nataon’ny olona fipetrapetrahana ho fakana aina kely ity toerana ity satria dia tahaka ireny hoe seza eny an-jaridaina ireny mihitsy. Nanararaotra izany koa anefa ny mpivarotra amoron-dalana ka nobahanan’izy ireo nanantonana entana hamidy ilay tamboho sy ilay fipetrahana. Nampihetsika ny tambavin’ny tompon’andraikitry ny Kaominina izany. Ho fandroahana an-kolaka an’ireo mpivarotra ireo dia nofefen-dry zareo ilay fipetrahana ary nasiany menaka “vidange” ihany koa ilay nataon’ny olona seza fialan-tsasatra sy fakana aina fa tena toerana malomaloka tokoa. Lasa eritreritra moa ny maro hoe : nanelingelina ny tao an-dapa ve ny fipetrahan’ny olona tamin’io toerana io na dia hoe natahorana amin’ity resaka baomba baomba ity aza amin’ny lafiny ilany ? Izany tokoa no tonga amin’ilay ohabolana hoe : “aleo lo toy izy ho an-kavana”. Hitady toerana homena ny olona mba hipetrapetrahany aza atao, hoy ny mpandinika, ka naninona raha novolena ireny seza plastika maoderina toy ny eny Antsahamanitra ireny ilay toerana na handoavam-bola aza ? Mba vola hafa miditra amin’ity CUA ity koa izany !
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.