Na dia tsy ao anatin’ny fanatrehana fivoriana ara-potoana aza ny eny amin’ny Lapan’ny Kongresy eny Tsimbazaza dia tazana nifanaretsaka tao indray omaly ireo mpikambana maro dia maro ao amin’ity rafitra ity.
Tsotra ny antony : tonga hitaky ny tombontsoa tokony ho efaina amin’izy ireo ry zareo dia ny taratasin-tsolika fandrainy isam-bolana. Noho ny zava-nisy dia tsy azon-dry zareo ara-dalàna ity zony ity nandritra ny volana maromaro ka manodidina ny 1.200.000 Ariary isam-batan’olona, hoy ny feo heno teny an-toerana, no tokony hefaina amin’izy ireo. Raha nisomebiseby nanoloana ny biraon’ny filohan’ity Kongresy ity izy ireo dia ny kestora voalohany izay tompon’andraikitra amin’ity resaka ity no niara-nikaondoha tamin’izy ireo nandritra ny adim-pamantaranandro nisinisy ihany tamin’io omaly io ary nohazavain’ity farany fa tsy maintsy haloa amin’ireto MCT ireto ny tombontsoan’izy ireo, indrindra ny taratasin-tsolika volana janoary 2014 saingy ny taratasy eny anivon’ny fitantanambolam-panjakana no somary maha ela kely azy ka hoentin’ity tompon’andraikitra voalohany ity eo anatrehan’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ny resaka amin’ity andron’ny talata 28 janoary ity. Misy resaka tsilion-tsofina mandeha moa eny anivon’ity Lapa ity fa hoe nisy nanodina ny taratasin-tsolika telo volana fandrain’ireo MCT ireto ???
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.