Lapan’i Mahazoarivo

> Nirefodrefotra basy


  • Alakamisy 07 Novambra 2013


Tranga tsy fahita na fandre no niseho teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo omaly antoandro. Feom-basy miraradraraka naharitra adiny iray mahery no re avy tao anaty Lapa. Nikorapaka ny mponina manodidina teo anatrehan’izany. Re hatrany Ambohitsoa sy Ambohidraserika ny firefodrefotry ny bala. Maro no nihevitra fa nisy mpanani-bohitra haka an-keriny ity toeram-piasan’ny praiministra ity izay tsy atao ho mahagaga satria be tato ho ato ny resaka manodidina ny fanoherana ny fifidianana. Etsy an-kilany dia vao tamin’ny herinandro ambony no nohamafisina ny fiambenana ny lapam-panjakan’i Mahazoarivo amin’ny alalan’ny zandary avy amin’ny GSIS noho io fanahiana fanakorontanana io. Rehefa nanontaniana moa ny miaramila iray miasa ao an-toerana dia nilaza fa fanazaran-tena amin’ny tifitra no nataon’ireo mpiambina. Hatrizay anefa tsy mbola nisy mihitsy ny toe-javatra toy izany na dia nandritra ireny fotoana navaivay tamin’ny 2009 ireny aza. Fa misy inona marina ?

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT