Actualités

Lapan’Andafiavaratra Nisy nangalatra ny satroboninahitry ny Mpanjakavavy


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Tohina ny fon’Antananarivo omaly raha nandre fa nisy namaky ny Lapan’Andafiavaratra ka lasa tamin’izany ny satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalona I.

 Heverin’ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny BC fa teo amin’ny manodidina ny tamin’ny iray ka hatramin’ny efatra ora maraina no nitrangan’ny halatra. Avy hatrany moa dia nentina eny Anosy mba hohadihadiana ny mpiambina 2 niasa tamin’io andro io. Avy hatrany dia naneho hevitra ny tompon’andraikitra ambony maro. Anisan’izany ny ministeran’ny kolontsaina izay miandraikitra rahateo ny lapa eto amintsika. Nanentana ny Malagasy ny minisitra, Elia Ravelomanantsoa, mba hifanome tanana amin’ny fitadiavana io vakoka io. Diso tanteraka ilay mpangalatra raha mihevitra fa vita amin’ny volamena ranoray iny satroboninahitra iny. Volafotsy mifono volamena fotsiny ihany izy iny. Tsy dia manam-bidy be, araka izany, raha amidy.

Nanaitra ny saina ihany koa ny nahafantarana fa tsy nisy nikitika ny vakoka sasany izay niaraka tamin’io satroboninahitra io. Eo no mahatonga ny maro hieritreritra fa sao misy ambadika indray ity raharaha ity. Ankoatra izay dia nambaran’ny lehiben’ny Emmo-Reg koa omaly fa anisan’ny eritreritra mandeha ny amin’ny hoe : ny vahiny no mety hividy lafo ireny vakoka ireny. Hisy valisoa homena izay manome vaovao (tsy adinony ny hoe : ho “professionnel” ny fitazanonana tsiambaratelo) na koa manatitra io vakoka io eny amin’izy ireo, hoy izy. Mety ho 100 tapitrisa ariary no tentim-bidin’izany.

Nohamafisin’ny Jeneraly Richard Ravalomanana fa tsy maintsy ho hita iny. «Aleo mba ho tonga saina izay naka izany fa raha izahay no hitady azy, ary tsy maintsy ho hita izy, dia tsy hitantara izay hanjo azy aho. Manome fe-potoana hatramin’ny anio amin’ny valo ora aho. Efa nomena baiko ny mpitandro ny filaminan’ny Emmo-Reg rehetra mba hanidy an’Antananarivo», raha ny fanazavany. Ilay hasina maha malagasy no zava-dehibe, hoy izy, ka miantso ny fitiavan-tanindrazana sy fananana hambompom-pirenena izahay. May ny Rova tamin’ny 6 novambra 1995, 16 taona lasa izay. Efa nirehitra ihany koa Andafiavaratra, toy izany koa ny Lapan’ny tanàna tamin’ny krizy tamin’ny taona 70. Izao indray koa dia very ny satroboninahitry ny Mpanjaka. Mampieritreritra !

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT