Actualités

Lalao Ravalomanana Nangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena


  • Alarobia 29 Jona 2016

Tonga fanindroany namangy ireo naratra teny amin'ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona vokatry ny fipoahana mahery vaika tao amin'ny kianjaben'i Mahamasina ny alahady hariva

ny ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana. Nampahery sy nitondra solon-dranomboankazo ireo marary tsy voatsidika miisa 22 nandalo fandidiana ny alatsinainy teo ny tenany. « Tsy mandry ny saiko amin’ny maha reny ahy », hoy i Neny. Mbola hitohy ny fanaraha-maso sy fanampiana tontosain'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra ireo niharam-boina aorian'ny fivoahana ny toeram-pitsaboana, araka ny fanazavan'i Neny. Nitondra fankaherezana sy fanampiana ireo marary hafa mitsabo tena ao amin'ity hopitalim-panjakana ity ihany koa ny mpitantana ny kaominina renivohitr'i Madagasikara. Niantso sy nangataka fihaonana amin'ny filohan'ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery moa izy hikarohana ireo fepetra hanatsarana ny fitandroana filaminana eto eto Antananarivo Renivohitra. Mila jerena akaiky ny fametrahana fiaraha-miasa matotra eo amin'ny an-daniny sy ny an-kilany hampandry fahalemana ny fiaraha-monina eto anivon'ny kaominina renivohitry ny firenena ary ilaina hatrany ny fifampiresahana, hoy ny ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana


Ramano F

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT