Actualités

Lalana Tsarasaotra-Ivato Havily any amin’ny BANI indray


  • Alarobia 22 Jona 2016

Nohenoina ny fitarainan’ireo fianakaviana voatondro fa horavana trano noho ny fanamboarana ny lalana vaovao mampitohy an’i Tsarasaotra, Boriborintany fahatelo Antananarivo amin’ny Kaominina Ivato, vavahadin’i Madagasikara.

 

 Raikitra mantsy izao fa novaina ny soritry ny lalana, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, misahana ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoha, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, tamin’ny alalan’ny mpandrindra ankapobeny ny tetikasa, ny kolonely Ramiaramanana Joseph, PDS Antananarivo renivohitra teo aloha, niaraka tamin'ny Kaominina Ivato. Ny antony dia mba tsy hisian’ny trano maro harodana. Teo am-piandohana dia miisa 35 eo ireo trano harodana, izay mitentim-bidy 10 tapitrisa Ariary raha kely indrindra. Mihena ho 7 sisa izy ireo, raha be indrindra, amin’ny soritra vaovao, izay handalo ao amin’ny toby miaramila BANI Ivato sady misy hakana ranontany hanotorana tanimbary hanamboarana ny lalana. Raha kely indrindra dia in’efatra nasiam-panovana izao ny soritr’ity lalana an-dalam-panamboarana ity. Matetika no nisy fihetsiketsehana narahina filanjana sorabaventy mba hamiliana soritra ny lalana nataon’ireo fianakaviana voakasiky ny fandravana trano noho ity tetikasa ity. Nisy nihaino izany, ary dia tonga amin’izao familiana ny soritry ny lalana izao.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT