Lalŕna mifehy ny tetibolam-panjakana

> Lany teo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita


  • Sabotsy 16 Novambra 2013


Nafampana tsy tahaka ny niseho teny amin’ny Kongresin’ny tetezamita ny adihevitra teo amin’ny minisitry ny vola sy ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita tetsy Anosy kely omaly tamin’ny fandinihana an’ilay volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana amin’ny taona 2014. Nasian’ireo CST tsindrim-peo mafy tokoa ny mikasika ampaham-bola kely dia kely alefa hampiasain’ny eny anivon’ny Faritra isanisany. Na izany aza dia nankatoavin’ireo CST tsy nisy fanovana omaly zoma 15 novambra 2013 ity volavolan-dalàna ity. Tsy misy fandaharanasa goavana na misongadina izay tsy maintsy hotratrarina ao anatiny fa anjaran’ny mpitondra amin’ny Repoblika faha-4 no hamolavola sy hametraka fandaharanasa ho azy. Vinavinaina ho 3% ny tahatombon’ny harinkarena faobe amin’ny taona 2014 raha 2,4% izany tamin’ny taona 2013. Voatana ho 6,2% ny taham-pisondrotan’ny vidim-piainana raha 5,9 % tamin’ny taona 2013.

CST tonga nivory tetsy Anosikely omaly : 71

Ireo tsy tonga mihitsy : 63

Ireo nahatonga fialan-tsiny 24

Ireo nandany ilay volavolan-dalàna : 55

Ireo nitsipaka izany : 2

Ireo tsy nilaza ny heviny 2

 

 

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT