Lalana Hydrocarbures

> Hitarina hahazaka fiara efatra indray mifamezivezy


  • Alakamisy 14 Novambra 2013

Miditra amin’ny dingana faharoa amin’ny fanitarana ny lalana mampitohy an’Alarobia sy Ankorondrano nanomboka ny alatsinainy 11 novambra 2013 lasa teo ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, hoy ny Sekretera Jeneraliny Rasamimanana Olga omaly alarobia 13 novambra teny amin’ny toeram-piasany teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.

Tsy maintsy niroso tamin’ny fikitihana ireo fotodrafitrasa manamorona ny arabe toy ireo takelabin-dokambarotra, ampahany amin’ny tokotanin’ireo orinasa sy trano ary ireo toeram-pivarotana ao amin’ireo Fokontanin’Ivandry sy Alarobia izany. Efa nisy rahateo ny marimaritra iraisana hita teo amin’ny Kaominina sy ny fikambanan’ireo mponina manodidina voakasika manokana amin’io ampahan-dalana io izay niafara tamin’ny fifanarahan’ny roa tonta. Mitentina 1,5 arivo tapitrisa Ariary ny famatsiam-bola fanatanterahana ity asa fanitarana lalana hiandraiketan’ny orinasa Smatp ity izay haharitra telo volana. Aorian’ny fahavitany amin’ny taona vaovao 2014 dia azon’ny fiara 4 miaraka hifamezivezena avy hatrany ity arabe migodana ity, izany hoe fiara roa mandroso ary torak’izay koa ny miverina. Mba hisorohana ny fanelingelenana ho an’ireo mpanjifa mampiasa iny ampahan-dalana iny moa dia efa misy ny lamina napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa naharitra efa-bolana ny fanatontosana ny dingana voalohany tamin’ny fanitarana ny lalana teny amin’ny Fokontanin’Ankorondrano sy ny manodidina ka nanodidina ny 680 tapitrisa Ariary ny tentim-bidin’ny asa notanterahana.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT