Actualités

Lalŕna fanitsiana ny tetibola Nolanian’ireo depiote saingy …


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Nolanian’ireo depiote niisa 81 tonga nivory teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza tsy nisy nitsipaka ilay volavolan-dalŕna laharana faha-024/2016 tamin’ny 15 jona 2016 momba ny LRF na Lalŕna Fanitsiana ny Fitantanam-bolam-panjakana amin’ity taona 2016 ity.

 

 Fa nasian’ireo solombavambahoaka fanamarihana vitsivitsy ny fandrafetan’ny governemanta azy. Nandefa soso-kevitra maro ihany koa ho fanampin’izany ireo solombavambahoaka nandray fitenenana tamin’ity fivoriana ny hampitan’ny minisitry nytetibola sy fitantanam-bola, tonga nanatrika ny fivoriana, any amin’ny governemanta sy ny praiminisitra ny mba hijeren’izy ireo ny zava-misy marina amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ireo depiote izay tena mahalala ny zava-misy sy maharary any amin’ny faritra misy azy vao mandrafitra itony volavolan-dalàna itony amin’ny manaraka. Nanipy teny somary mavaivay koa ireo depiote ny mba hijeren’ny fitondram-panjakana mahefa ny maharary ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny, toy ny resaka tsy fisian’ny fandriampahalemana, ny tsy fananana asa, ny fandoavana mivantana ny karaman’ireo ben’ny tanàna sy sefom-pokontany ary ny famoahana ny didy fampiharana ny CLD (tan-tsoroka ho amin’ny fampandrosoana ifotony) io ilay 200 tapitrisa ariary isaky ny distrika,  ny tokony mba hampitomboana ny tetibolan’ny minisiteran’ny kolontsaina, ny tokony mba hijerena maika ny resaka Jirama izay mbola tohanana volabe hatrany amin’ny 60 miliara ariary nefa azo hampiarahana amin’ny famokarana angovo azo havaozina samihafa. Nisy no novalian’ny minisitra Gervais Rakotoarimanana avy hatrany nefa nisy ihany koa ny nolazainy fa tsy ho tanteraka avy hatrany. Tamin’ny ankapobeny dia nahena avokoa ireo tetibola hampiasain’ny minisitera tsirairay avy na dia maro ihany aza ny notanana tsy nasiam-panovana ireo fandaniana mitana ny laharam-pahamehana.

NtsoavinaEvariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT