Lalan-dratsin’Ambatoroka

> Ho vita tara noho ny fiaraha-miasa amin’ny Iray Aina


  • Alatsinainy 11 Novambra 2013

Efa manomboka ny asa fanarenana ary horakofana tara tsy ela ny lalan-dratsy ao Ambatoroka Boriborintany faha-II izay mampikolay ny mpitondra fiara rehetra ankehitriny, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao.

Avy amin’ny fiaraha-mientan’ny malala-tanana mpampiasa io lalana io ka nanao tsipaipaika noho ny fanentanana nataon’Atoa Andry Andrianjavony sy ny fikambanana “Iray Aina” tarihany no antok’izao fanamboarana atao izao. Marihina etsy an-kilan’izay fa mitohy ny asa fanadiovana ataon’ity fikambanana ity eny amin’ireo toeram-ponenan’ny mpianatra toa an’Ankatso-Ambohipo-Ambolokandrina ka ny sabotsy teo dia fandrarahana ranom-panafody mamono bibikely tao amin’ny trano famakiam-bokin’Ankatso I sy tamin’ireo tranon’ny mpianatra teny an-toerana ary famandrihana voalavo tamin’ny alalan’ny poizina no natao. Somary nanelingelina vetivety monja ny asa natao, hoy ireo mpianatra, fa tena ilaina kosa anefa ka isaorana ny fikambanana Iray Aina nanolotra izany. Nomarihan’Atoa Andry Andrianjavony izay kandidà ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany faha-II fa Ankatso II sy Ambolokandrina indray no handalovana amin’ny faran’ity herinandro diavina ity ary hanomboka tsy ho ela ihany koa ny “Tournoi basket” iarahan’ny “Iray Aina” manatontosa amin’ireo mpianatra monina eny amin’ireo Cité ireo.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT