Actualités

Lalam-pirenena faha-44 «Miroso ny asa», hoy i Besetroka nefa…


  • Alarobia 26 Oktobra 2011

Misy fiantraikany tamin’ny fihenan’ny voka-bary any Alaotra ny krizy mitarazoka elabe eto amin’ny firenena, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Razafindrakoto Mamihelson antsoin’ny Gaona any an-tanŕna hoe : Besetroka.

 Na izany aza dia nanamarika ity farany fa miroso ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka ankehitriny. Mivezivezy matetika amin’iny lalana iny noho ny famonjena ny fivoriana eny Tsimbazaza ny tenany ary mahita ny fivoaran’ny asa. Efa vita aloha hatreto ny nampanantenaina rehetra tamin’ity tetezamita ity, hoy izy, hatramin’izay tena sarotra indrindra toy ny ao Mandrota. Efa mihavita koa ny ao amin’ny PK 81 ka hatreo Ambodirano. Dia ho avy ny fanamboarana ny ampahan-dalana Ambodirano-Andranofotsy.

Ny minisitry ny asa vaventy Alain Razafimbelo, hoy izy, dia nampanantena tamin’ny fandalovany tany amin’iny Faritra iny fa hitady loharanom-bola hafa hanohizana ny asa hatramin’ny farany. Vita ny asa nefa… mahagaga ny maro, hoy i Besetroka, ary nahatonga ny olona nanatona azy, ny nanaraka tamin’ny fahitalavi-pirenena ny alatsinainy 24 oktobra an’ity minisitra efa nametra-pialana ity sy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Voninahitsy Jean Eugène niara-nanao fanaraha-maso ny asa atao amin’ity RN 44 ity. Nampametra-panontaniana ny rehetra any Alaotra, araka izany amin’ny hoe : “volam-panjakana ve no nanamboarana ity lalana ity sa volan’ny “Les As” ? Tantara mitohy ny amin’izay mbola arahina amin’ny manaraka, hoy ihany i Besetroka. Fa ankoatra izay dia mahafaly ny mponina amin’ny Kaominina 4 ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka (Andilanatoby, Merimandroso …) kosa, hoy izy, ny fahavitan’ny efitrano fianarana 2 ho azy ireo sy fampitaovana ny ao anatin’izany. Ny fifanomezan-tanana no fototra nahazoana ireo ka hanentanan’ity CT ity ny fahavitrihan’ny vahoaka hatrany izany.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT