Actualités

Lalam-pirenena faha-44 Horaisin’ny ministera an-tanana ny fanohizana ny asa


  • Talata 13 Desambra 2011

Efa vita tanteraka amin’izao fotoana izao ny 75 %-n’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 mihazo ny Faritra Alaotra Mangoro.

 Na izany aza, mbola misy ambiny 25% izay ezahin’ny ministeran’ny asa vaventy sy ny famantarana ny toetr’andro hotohizana. Mitentina 5 miliara ariary ny lelavola mbola ilaina raha mbola mihantona kosa ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hatreto. Anisan’ny asa laharampahamehan’ny minisitra vaovao, ny kolonely Botomanovatsara izany, araka ny nambarany ny mpanao gazety omaly tao amin’ny birao fiasany noho ity asa ity anisan’ny laharam-pahamehan’ny filohan’ny tetezamita ihany koa. Nanambara ihany koa ny minisitra fa hanokana vola mitentina enina miliara dolara ny ministera iadidiany hanaovana ireo tetezana hita fa tena ratsy hanjary ho “béton”.

Tafiditra ao anatin’izany ireo tetezana tena ratsy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ny ao Manakara, ny any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana… Hisy ihany koa ny fijerena ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahafito mandritra ny enim-bolana voalohany amin’io taona 2012 ho avy io, araka ny nambaran’ny minisitra ihany. Tsara ny manamarika fa lany ho filoha hitantana ny fikambanana FIANTA na ny fikambanan’ny zanaka Antemoro ity minisitra ity. Asa goavana sy andraikitra makadiry no miandry azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT