Actualités

Lalam-pirenena faha-44 Ahiana ho tapaka tanteraka


  • Zoma 06 Janoary 2012

Eo amin’ny ampahan-dalana PK 139,400, eo anelanelan’ny tanàna Ambohitovolahy sy Vohidiala no misy tetezana iray izay nisy nangalatra ny vy fanambaniny ka ny godorao sisa no mitazona ilay lalana tsy hihotsaka.

 Raha mitohy ny rotsak’orana sy ny fandehanan’ny fiara vaventy amin’izany tetezana izany dia ahiana ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faha-44. Efa ela no nisy nangalatra tsikelikely ny vy amin’ilay tetezana kanefa tsy nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny manampahefana. Ho zava-poana ihany ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 raha mbola mitohy io halatra vy io. Ilaina, araka izany, ny fikarohana ireo olon-dratsy manimba ireny fotodrafitrasa iombonana ireny raha tiana ny hananana zavatra tsara. Mitombo isa isan’andro ny mpividy vy any Alaotra ka tsy fantatra intsony raha izay no mahatonga io fangalarana vy amin’ny lalam-pirenena io na finiavana te hisotasota fotsiny ny an’ny sasany. Ny olana anefa dia ny olona mpampiasa io lalana io no hijaly raha misy ny fahatapahany.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT