Niverina nandray asa ireo mpiasan’ny ladoany nitokona taorian’ny fifampidinihana teo amin’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny ladoany sy ny sendika Sempidou.
JIRAMA
Nahazo fahafahana vonjimaika ny tale jeneralin’ny Jirama, voarohirohy ho nitsikombakomba tamina tolobaro-panjakana teo anivon’ny orinasa. Omaly no nanoloran’ny Bianco ny vokatry ny fanadihadiana ny raharaha teny amin’ny « Chaine pénale anti-corruption » eny 67ha ny raharaha.
ANTENIMIERAM-PIRENENA
Hifarana amin’ny zoma izao ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena. Volavolan-dalàna miisa 14 no haroso holanian’ny solombavam-bahoaka ao anatin’ny efatra andro hatry ny omaly.
HJRA
Tonga nanolotra fanampiana ireo maratra vokatry ny fipoahan-javatra teny Mahamasina ny 26 jona teo mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA omaly ny fikambanan’ireo vehivavy parlemantera, tarihin’ny depioten’i Manjakandriana, Rahantasoa Lydia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.