Krizy vita fety

> Mametra ny trosa omeny ny mpanjifany ireo mpivarotra enta-madinika


  • Sabotsy 25 Janoary 2014


Maina ny tsena ary tsy manam-bola firy ny olona amin’izao krizy vita fety izao, ka mametra ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro trosain’ny fianakaviana ireo mpivarotra enta-madinika ao Toliara sy ny manodidina, fa tsy toy ny isam-bolana tamin’ity volana janoary ity, araka ny filazan’ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana. «Efa mitovy amin’ny sandan’ny trosa fakan’ny fianakaviana iray isam-bolana ny sandan’ny trosan’izy ireo ny tapaky ny volana», hoy ny mpivarotra enta-madinika iray ao Tsimenatse. Nohamafisn’i Roger, fa «tsy manome trosa mihoatra ny fakan’ny fianakaviana iray isam-bolana izahay, sao tsy ho voalohany amin’ny faran’ny volana, ka maty antoka izahay».

 

 

Ratsy ny tsena

 

 

Nambaran’ireo mpivarotra sasany fa tsy manome trosa intsony izy ireo fa mampidi-bola aloha. Na dia miezaka miaina ao anaty fitsitsiana ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy amin’izao dia hita sy tsapa fa saika nisondrotra avokoa ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandrony ankehitriny. Noho izany, betsaka ny tokantrano voatery manena ny kapoakam-bary arotsaka. Raha nihinan-kena isan’andro koa teo aloha, dia in-droa isan-kerinandro sisa no mividy izany. Tsy azo atao ambanin-javatra ny hofan-trano, tsy maintsy mbola aloa ny Jirama sy ny saram-pianaran’ny ankizy. Vitsy ny manome solom-bodiakoho amin’izao asaramanitra izao.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT