Actualités

Korontana any Tolagnaro Nandamoka ny fanelanelanana nataon’ireo CT sy CST


  • Alatsinainy 09 Janoary 2012


 Olom-boatendry avy amin’ny TGV sy firehana manohana ny fitondrana FAT nahitana ny CT Rasolo Adolphe sy ny CST Razanadahy Bonaventure no indray nanao be midina sy be fiavy tany Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Niezaka namaha ireo olana sedrain’ny vahoaka any an-toerana izy ireo, ka nidina tamin’ireo toerana voazimbazimba ka nampipoaka ny savorovoro tao Tolagnaro nanomboka ny herinandro teo iny. Na olom-boatendry aza ireo olona ireo, dia tsikaritra ho tsy nahavita ny asa noheverina fa hitadiavana vahaolana, hoy ny ankamaroan’ireo Fokonolona niatrika ny famelabelaran-kevitra teo amin’ny tokontaniben’ny Telma ny faran’ny herinandro teo. Diso fanantenana tamin’izy ireo ny vahoaka. Ny nantenaina hamaha ny olana, hoy ry zareo no namalan-kira. Hatreto aloha, tsy mbola voavaha ny korontam-piarahamonina ao an-drenivohitra Anôsy. Ny fandraisan’ny fitondrana foibe fanapahan-kevitra hentitra amin’ireo olona fototry ny disadisa no andrasan’ireo mpitokona.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT