Actualités

Kolonely Coutiti Nafindra ao amin'ny “infirmerie” ihany koa


  • Alarobia 21 Desambra 2011

Na mbola miezaka manafina aza ny ministeran'ny Fitsarana amin'izao fotoana izao dia fantatra, araka ny loharanom-baovao azo antoka, fa marary ao am-ponjan'i Tsiafahy ny kolonely Coutiti Assolant.

 Misy ihany koa ny loharanom-baovao teny am-ponja milaza fa nafindra toerana ao amin'ny infirmerie ny tenany hatry ny omaly. Midika izany fa tsy salama izy ary mila fanaraha-maso ny fahasalamany. Ny tena mampanahy amin'ity tranga ity dia ny zava-nahazo ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina. Toy izany koa mantsy no nahazo azy, herinandro vitsivitsy lasa. Nanomboka tamin'ny tsy fahasalamana madinika aloha dia tsy navela nijery azy intsony ireo fianakaviany. Efa tena reraka be izy no tonga tampoka teny ireo havany tapa-bolana taty aorian'ny namparary azy no nahatsikaritra fa tena reraka be ny tenany. Tsy afa-nihetsika intsony no sady tsy afa-nisakafo ny vavany.

Teo vao nangataka ny hampidirana hopitaly azy ireo fianakaviany. Mbola gidragidra ihany koa anefa izany vao namela ireo tompon'andraikitra tao amin'ny ministeran'ny Fitsarana. Rehefa teny amin'ny hopitaly Befelatanana aza dia mbola nisy ny baiko avy any ambony nilaza fa tokony haverina haingana eny Tsiafahy izy. Ireo mpitsabo tao Befelatanana no tsy nanaiky izany rehefa nahita ny fahavoazan'ny kly Charles. Manahy noho izany ny fianakaviana sy ireo olona akaiky ary indrindra ireo manamboninahitra izay andiany iray mihira amin'ny kolonely Coutiti sao atao tahaka izany ihany koa ny tenany. Tokony havela hotsaboina any amin'ny hopitaly izy, hoy ny sasany tamin'ireo manamboninahitra raha toa ka marary fa zony izany. Andrasana ho reraka be ve izy vao avoaka any am-ponja dia mody mihatsara velatsihy indray ny FAT mandefa any ivelany avy eo ? Nanamafy ity manamboninahitra andiany iray mihira amin'ny kolonely Coutiti Assolant ity fa na inona antony na inona dia tsy hanaiky izy ireo raha toa ka misy tranga hafahafa mahazo ity kolonely ity.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT