Actualités

Kolonely Charles Tsy mbola afa-miteny hatry ny omaly


  • Alarobia 21 Desambra 2011

Hatramin'ny alahady izay nandidiana fanindroany ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina dia mbola mandalo fotoan-tsarotra ny fahasalamany amin'izao fotoana izao araka ny loharanom-baovao avy atsy La Réunion.

 Ao amin'ny hopitaly lehibe iray ao Saint Denis no tsaboina izy. Ny fisian'ny nana marobe tany amin'ny taovany no tsy maintsy nirosoana tamin'izao fandidiana izao araka ny fantatra. Taorian'io dia tsy mbola nahatsiaro tena mihitsy izy. Omaly dia azo lazaina fa velombolo ireo mpitsabo tany an-toerana satria hita soritra ihany ny firosoana any amin'ny fahombiazan'ny fitsaboana. Tsy mbola afaka mirehareha amin'izany anefa satria mbola azo lazaina fa mitovy hatreto ny tahan'ny fahavelomana sy ny fahafatesana.
Nirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT