Actualités

Kolonely Charles Namangy azy tao La Réunion i Camille Vital


  • Alarobia 28 Desambra 2011

Tamin'ny alakamisy no fantatra fa nandalo tao La Réunion ny jeneraly Camille Vital praiminisitry ny FAT teo aloha.

 Avy any Dubai ity praiminisitra teo aloha ity no nivily tao La Réunion. Andeha hitsidika ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina mihitsy no fantatra fa anton-diany tao amin'ity nosy ity. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa iraky ny filohan'ny FAT ny tenany tamin'izao fitsidihany izao. Afaka nitsidika ny marary ny tenany ary nampanantena tamin'ireo fianakaviany fa hanao izay azony atao raha toa ka misy ny filana fanampiana. Nilaza ny tenany fa tsy teo amin'ny fitondrana raha tsy ny kolonely Charles. Mahavariana ihany ity fihetsiky ny jeneraly Camille Vital ity. Tamin'ny fotoana naha praiminisitra azy mihitsy anefa no nanagadrana ireo manamboninahitra teny amin'ny BANI, ka anisany ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina. Mikasika ny fahasalaman'ity kolonely ity kosa dia fantatra fa misy fivoarana miandalana saingy mbola ao amin'ny trano famelomana aina ny tenany hatry ny omaly.
Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT