KMFB Atsimondrano

> Vonona hiaro ny safidim-bahoaka


  • Alarobia 20 Novambra 2013


Nanao ny ezaka rehetra hanatanterahana ny dinika izay notarihin’ny FFKM teny Ivato ny KMFB Atsimondrano, alohan’ny nirosoana tamin’ny fifidianana sy izay rehetra isan’ambaratongany mbola hatao mba hisian’ny fifidianana marina sy iaraha-mitantana, izay mitondra any amin’ny vahaolana tsara sy maharitra ho an’ny firenena. Anisan’ny notakiana tamin’izany ny mba hanasarahana ny fifidianana depiote tsy hiaraka amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny fihodinana faharoa, izay tsy mampitovy zo ny kandida tsirairay avy. Tsy nisy vokany anefa izany noho ny antony efa iaraha-mahalala. Noho izany, ny fifidianana izay efa nirosoana dia tsy maintsy hizorana sy faranana. Tsy maintsy toherina ny didy jadona, ny tsy refesiman-didy, ny ramatahora ataon’ny mpanongam-panjakana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena izay misy ankehitriny, ary tsy maintsy avotana i Madagasikara. Noho izany, ny KMFB Atsimondrano dia manohana feno ny Dr Robinson Jean Louis amin’ny fiatrehana ny fifidianana fihodinana faharoa amin’ny 20 desambra 2013 ho avy izao. Tsy ampy anefa izany fa mandeha ila ihany satria mila manana olom-boafidy maro ihany koa ny mpanara-dia ny filoha Marc Ravalomanana. Miantso ny vahoaka Malagasy tsirairay ihany koa ny KMFB Atsimondrano mba ho vonona sy hiray hina, ary handray andraikitra manoloana izay antsojay rehetra mety hitranga aoriana, indrindra ny amin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT