Andro maromaro izay no notsaboina teny amin'ny hopitaly Befelatanana ny kolonely Coutiti Assolant.
Araka ny loharanom-baovao dia tsy mety mahazo fahasalamana tsara ny tenany. Ao amin'ny tratrany no fantatra fa tena olana ho azy. Nisy ny “scanner” natao taminy ary ao anatin'ny famerenana amin'ny laoniny izay toe-pahasalamany izay ny mpitsabo. Araka ny tsiliantsofina ihany dia mitovitovy amin'ny zava-mahazo ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina ihany koa no mahazo ity manamboninahitra iray ity. Samy ao amin'ny tratrany mantsy no mbola olana ho azy roalahy ireto. Ny avy amin'ny fandraharahana ny fonja dia manadio tena amin'ny filazana fa ny fifohana sigara be loatra ataon'ny kolonely Coutiti no mahatonga io aretiny io. Ny mahagaga anefa dia tahaka izay ihany koa no mahazo ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina. Ity farany anefa izay tsy mifoka sigara mihitsy raha ny fahalalana azy. Misy zava-nahazo ireto manamboninahitra ireto tany am-ponja saingy hatreto aloha dia tsy fantatra izany. Na ho ela na ho haingana anefa dia tsy maintsy hivoaka ny marina.
Titi
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.