Actualités

Kly Coutiti Assolant Natao «scanner» omaly


  • Zoma 23 Desambra 2011

Tsy fantatra mazava hatreto izay mahazo ny kolonely Coutiti Assolant.

 Ireo mpitsabo sy ny fianakaviany kosa anefa dia samy nilaza fa marary izy ary tsy azo tsinontsinoavina ny aretina mahazo azy. Raha ny fisehon’ny aretina dia sempotra ity kolonely ity ary misy mivonto ny tratrany. Ho an’ny avy eo anivon'ny fandraharahana ny fonja dia vokatry ny fifohany sigara be loatra no mahatonga izany. Misy fiantraikany tamin’ny fahasalamany koa ny vono nahazo azy ny 20 novambra 2010 tamin’ny raharaha BANI. Manahy anefa ireo fianakaviany ny amin'ny zavatra hafa mihitsy. Mbola sarotra ho anay aloha ny hilaza inona hatreto. Porofo ny maha sarotra ny fitsaboana azy ny nanaovana “scanner” azy, hoy izy ireo. Fantatra ihany koa anefa fa aorian'ny valin'ity “scanner” ity dia mbola hotiliana amin'ny lafiny rehetra mihitsy ny kolonely Coutiti. Eny amin'ny hopitaly Befelatanana indray dia afa-mitsangana ny lehilahy ary afa-miresaka ihany koa. Marary matanjaka anefa ny tenany satria misy fotoana tonga dia sempotra tsy afa-manao inona.

Mbola haharitra noho izany ny ftisaboana ity manamboninahitra ity. Nisy ireo kolonely andiany indray mihira taminy sy ireo miaramila namana sy tapaka namangy azy teny amin'ny hopitaly omaly. Nisy indray ny fifandonana teo amin'ireo mpitsidika sy ireo mpiandry fonja. Efa mahazatra moa ny tranga tahaka izao.

Solo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT