Tonga nanatona ny Tobin’ny zandary tetsy Ankadilanana ny tompon’ilay kitapo mainty noheverina fa nisy baomba ka nampisahotaka ny olona tetsy Antanimena ny talata lasa teo. Olona avy any Toamasina izy ary tonga eto Antananarivo hikarakara antontan-taratasy no nisy nangalatra tao anaty fiara nentiny io kitapo io niaraka tamin’ny ordinatera fitondra mandehandeha ary vola efatra hetsy Ariary raha sendra nijanona teny Faravohitra io andron’ny talata io. Tsy nahitana afa tsy tavoahangina “eau vive” sy taratasy samihafa moa tao anatin’ilay kitapo.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.