Mbola mihantona hatrany ny fanampian’ny Unicef ho an’ny sehatry ny fanabeazana ao anatin’ny tetikasa «Education Pour Tous» na Fanabeazana ho an’ny daholobe izay tokony hahazoantsika lelavola mitentina 26 tapitrisa dolara noho ny tsy mbola fiverenan’ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 23 ampiasain’ny rafi-panjakana samihafa hatramin’ny taona 2009.
Fiara nomena hampiasain’ireo DREN miisa 22 izy ireo saingy noho ny savorovoro politika teto amin’ny firenena tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 dia napetraka tany amin’ny tafika raha vao nigadona teny amin’ny seranan-tsambo. Nampiasain’ny governemanta, ny parlemanta ary ny miaramila ireto fiara ireto avy eo. Fepetra takian’ny Unicef hanomezany io ampahany fahatelo amin’ny «Fonds catalytique» io anefa ny famerenana ireto fitaovana ireto. Vokany, mihantona ny famatsiana aronakanjo ho an’ny mpianatra, ny “kits scolaires” ary ny “cantine scolaire” izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy. “Vola avy ao amin’ny Fonds catalytique mantsy no namatsiana ireny fanampiana ireny”, hoy i Fofa Dominique, tale jeneralin’ny fanabeazana eo anivon’ny ministera. Araka ny fanazavany hatrany dia efa vonona ao amin’ny Unicef io ampaham-bola fahatelo io fa miandry ny fanatontosan’ny fanjakana ny andraikitra andrasana aminy fotsiny. Fiara miisa folo no efa tafaverina ankehitriny saingy misy amin’ireo nampiasa azy no efa manamboatra ka miezaka mamerina ny fiara nampiasainy tahaka ny nahazoana azy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.