Mbola eo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny azy efa ho herinandro mahery izao i Moustafa, Karana mpandraharaha ao Toamasina.
Araka ny loharanom-baovao dia tsy manana ilay vola be mahatratra 1.400 tapitrisa Ariary takian’ireo mpaka an-keriny ny fianakaviany, ka izay no mbola tsy ahalalana ny misy an’i Moustafa hatreto sy ny momba ny ainy. Ankilan’ireo anefa fa miha mafy ny feo an-dalantsara, fa mpaka an-keriny avy eto Antananarivo nampian’ireo mpanome vaovao avy ao Toamasina no niara-nanao ny “Opération”, ary miha mafy tahaka izany koa ny resaka fa misy mpitandro ny filaminana mifaningotra amin’ity raharaha ity, ka manasarotra ny fikarohana sy ny fanadihadiana. Na izany aza anefa dia nanamafy ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana ity raharaha ity fa tsy mbola nihetsika ao Toamasina i Moustafa sy ny mpaka an-keriny azy, saingy tsy fantatra ny toerana nametrahan’izy ireo azy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.