Kidnapping

> Nisy naka an-keriny i Moustafa


  • Alarobia 20 Novambra 2013

Miverina indray ny fakana an-keriny ao Toamasina. Ny harivan’ny alatsinainy teo, raha iny hampiditra ny fiarany tao amin’ny garazy iny indrindra ity teratany karana mizaka zom-pirenena Malagasy tompon’ny tranombarotra “Etoile Rouge” ao Bazary be antsoina hoe Moustafa, no nisy andian’olona efa niandry azy tsy lavitra ny trano fonenany tao Ampasimazava.

Nitondra fiara tsy mataho-dalana miloko volombatolalaka ary mitondra ny laharana “7143AF” ireto andian-jiolahy araka ny nahitan’ny mponina manodidina azy, izay mbola nohamarinin’ireo mpitandro ny filaminana izay ny FIP (Force d’Intervention de la Police) no tonga nialoha niatrika ny raharaha. Niisa dimy ireo olon-dratsy ka vehivavy ny iray, ary nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny kalaky sy PA ihany koa. Araka ny angom-baovao dia ny roa tamin’ireo dimy no niditra ny garazy naka an’Atoa Moustafa. Tsy nanaiky lembenana anefa ity farany fa nampiasany koa ny basy teny aminy. Tratry ny basy henjana sy jiolahy efa vonona amin’izay hitranga anefa ilay Karana, ka naratra vokatry ny fifanandrinana, avy eo dia nentin’ireo jiolahy nanaraka azy, ary tsy hita ny toerana nanafenan’ireo jiolahy azy hatramin’ny fotoana nanoratana. Tsy mbola nanonona ny vola tadiaviny ho sandan’ny ain’ingahy Moustafa ihany koa ireo naka azy an-keriny. Ny nanaitra ny maro taorian’ny “kidnapping”, dia minitra vitsy taorian’ny zava-nitranga sy nanomboka ny nitadiavan’ireo mpitandro ny filaminana ilay fiara voalaza etsy ambony, dia tonga ny delestazy ary maizina ny tanànan’i Toamasina manontolo (?) ka nananosarotra ny asan’ireo mpitandro ny filaminana nanara-dia ireto mpaka an-keriny ireto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT