Actualités

Kere any Atsimo Efa miha lefy ny fahasahiranana, hoy ny Bngrc


  • Zoma 24 Jona 2016

Efa mihamalefaka ny fiantraikan’ny hain-tany mianjady amin’ireo mponina any Atsimo

 

amin’izao fotoana izao raha araka ny fanazavan’ny jeneraly Rambolarison Charles, sekretera mpanatanteraka lefitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC. Efa  tsy misy intsony ireo mivaro-pananana mba hividianana sakafo  toy ny teo aloha, noho ny fandraisana an-tanana manokana ireo tena sahirana ara-pivelomana. Ankoatra izay, efa manomboka mirotsaka ihany koa ny ranon’orana hahafahan’ireo tantsaha mikarakara ny fambolena sy ny fiompiana kely sahaniny. Na izany aza, tsy mionona fotsiny amin’izao izy ireo fa miezaka hatrany mitady vahaolana entina hanamaivanana ny fiantraikan’ny loza voajanahary amin’ny mpiara-belona. Tafiditra ao anatin’ireny ilay atrikasa notanterahin’izy ireo nanomboka omaly teny amin’ny foiben-toerany eny Antanimora, hiarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny PNUD, ny ONG maro isan-tsokajiny ary ireo teknisianina. Tanjona ny hahafahana mifampizara traikefa ho enti-manatsara  hatrany ny asa tanterahin’izy ireo  ho tombontsoan’ny besinimaro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT