Kaonfederasionan’ny Sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony

> Ambavahaonan’ny korontana ny Malagasy


  • Zoma 03 Janoary 2014

Nanao antso ho fanavotam-pirenena ny Kaonfederasionan’ny Sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony manoloana ny fahatsapana fa ambavahaonan’ny korontana ny Malagasy taorian’iny fifidianana iny.

Efa namarafara izahay, hoy ity vondron’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony eto Madagasikara ity fa hiteraka korontana ny fisisihana hanao fifidianana nefa tsy mbola feno ny fepetra takian’ny tondrozotra ho amin’izany. Raha ny vaovao heno izao dia tsy azo ihodivirana ny disadisa satria an-daniny, ny vokatra avoakan’ny CENI-T dia manome fandresena an’i Hery Rajaonarimampianina. Mitsipaka marindrano izany anefa an-kilany ary milaza fa hosoka sy hala-bato ary voka-pifidianana diso no avoaka avy eny amin’ny CENI-T fa i Jean Louis Robison no mandresy raha ny vokatra eo am-pelatanany. Mahatsapa izahay, hoy ireto vondrona sendika ireto fa tsy tara ny antso satria raharaham-pirenena ity fa tsy fiarovana tombontsoa manokana. Ny CENI-T rahateo tsy fitsarana ka miantefa kokoa any amin’ny CES ny fanamarihana entin’izy ireo. Olom-pirenena nanara-maso ny fifidianana izahay, hoy ny Kaonfederasionan’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony, na dia tsy ofisialy aza ary iaraha-mahalala fa tsy misy ny fifidianana tonga lafatra, eny fa na any amin’ireo firenena ambara fa mpanjakan’ny demokrasia aza ary samy mahare ireny fitarainana maro ireny isika rehetra.

Nandroso vahaolana amin’ny CES, araka izany, ny vondron’ny sendika hisian’ny fitokisana ho antoky ny filaminana dia ny famoahana ho hitam-poko hitam-pirenena ny tabilao mirakitra ny nitsinjarana ireo bileta tokana tany amin’ny birao fandatsaham-bato araka ny laharany (numéro de série), fampitoviana ny voka-pifidianana, fanamarinana atrehan’ireo mpifaninana ireo bileta tokana nifidianan’ny mpifidy sy ireo bileta tokana tsy nampiasana ary ny famerenana manontolo ny fanisana ny vato azon’ny tsirairay. Tsy antso intsony izy ity, araka izany, satria raha tsy hanatanteraka ireo fepetra ireo dia hisy foana ny ahiahy ka tsy ho tanteraka mihitsy ilay fifidianana eken’ny rehetra.

 

RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT