Niala andraikitra ny minisitry ny polisy. Azo eritreretina avy hatrany izany manoloana ny zava-nitranga omaly.
Raha izy tenany izay lehiben’ny polisy rehetra no tokony hamaha ny olana avy amin’ny fampanatonana ny roa tonta, dia izy indray no lasa any Antsiranana nanao «mission», omaly maraina. Tsinontsinoavin’ity minisitra ity ve ny olana goavana toy izay mitranga ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina ? Ireo mpitantana sasany eo anivon’ny polisy no voatery nivaky loha eo amin’ny toerany ka nivory tao Anosy omaly maraina. Tsikaritra fa angady tsy mahatapak’ahitra ihany anefa izy ireo satria ilay olana dia mahakasika ny lehibeny mivantana ary olon’io lehibeny io ihany koa ilay voakasika dia ny «Chargé de mission» izany. «Efa mahafantatra ny zava-misy avokoa ny andrim-panjakana rehetra, hatrany amin’ny prezidansa.
Omaly aho dia nampanantsoin’ny Sekretera jeneralin’ny ministera mpiahy ny polisy saingy nolaviko izany. Amiko dia ny filohan’ny FAT na farafaharatsiny ny minisitra no mamaha ny olana vao hilamina ity raharaha ity», araka ny fanazavan’ny Komisera divizionera Rakotonomenjanahary Fidèle. Omaly dia nitohy niasa ny polisin’i Mahamasina saingy nambenana fatratra ny kaomisaria. Nanaitra ihany koa ny fahitana «banderole» lehibe teo anoloan’ny kaomisaria izay misy soratra «Andriamatoa filohan’ny FAT, vonjeo izahay fa diso tafahoatra loatra ny fanaparam-pahefana ataon’ny minisitra aminay. Tsunami 2 NON (tsy ekena ny affectation tsy amin’antony), mpisolelaka mahay (chargé de mission) MIALA, esory haingana io fa raha tsy izany hifamotika eto izahay». Midika avy hatrany ireo teny maromaro ireo fa tsy misangisangy ny polisin’i Mahamasina ireto manoloana ny zava-misy.
Samy
Encadré :
Araka ny vaovao re farany dia naato avokoa ny famindran-toerana nomen’ny minisitry ny polisy. Baiko avy hatrany no navoakan’Ambohitsorohitra avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Prezindasa omaly hariva. Izay ny vaovao farany momba ity raharaha fikomian’ny kaomisarian’i Mahamasina ity. Midika ho fandresena ho an’ny kaomiseran’io boriborintany io izany ary kosa faharesena ho an’ny minisitry ny polisy izay efa nitsoaka niala teto an-drenivohitra rahateo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.