Actualités

Kaomisera Fidčle Tsy mandŕ ny Codis «hafahafa» miandry azy


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2011

«Tsy dia olana amiko loatra ny fiatrehana ny komity misahana ny fitsipi-pifehezana, arak’izay voalazan’ny lehibeko.

 Efa raharaha anatin’ny polisim-pirenena iny ka ho hita eo izay hataon’ny tompon’andraikitra» raha ny fanazavan’ny kaomisera Fidèle Rakotonjanahary, miandraikitra ny boriborintany fahadimy etsy Mahamasina. Omaly dia nisy ny taratasy avy amin’ny vondrona polisy maromaro izay nankahery ity kaomisera ity taorian’ireny zavatra nitranga taminy ireny. «Nosamborinay avy hatrany ianao raha toa ka tsy nanaraka ny rafi-pifehezana misy ato amin’ny vondron’ny polisy ireny nataonao ireny.

Tena faran’izay nanafintohina tokoa ny tranga toy ireny. Saingy efa vita iny ka hiangavianay ianao mba hanaraka ny vahaolana naroson’ny ao ambony izay isaoranay anao sahady izany» raha araka ny votoatin’ilay taratasy. «Isika lehibe kosa dia miangavy izahay mba aza voizina loatra ity resaka Codis ity satria efa raharahan-tokantranontsika polisy izany fa tsy an’ny any ivelany intsony. Ho ela velona ny firaisankinan’ny polisy», raha araka ilay taratasy hatrany.

Amin’ny kaomisera Fidèle dia naman’ny efa milamina iny resaka iny satria nohajaina ny fitakiany. Na izany kosa aza anefa dia raràny sy ny ekipany ny fampidirana an’i Eric (chargé de mission) eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy. «Anjaran’ny Minisitra sy ny DG izay samy any Antsiranana raha ny fahafantarako azy no mandray ny fepetra mahakasika an’io olona io», hoy hatrany ity kaomisera ity. Raha ny fijerin’ny hafa ny raharaha indray dia hita mivandravandra fa tsy tena mbola milamina loatra ny zava-misy ankehitriny. «Rehefa tsy azo tany amin’ny famindran-toerana ny kaomisera Fidèle dia any amin’ny Codis indray no tadiavina hofinganina» raha ny hevitry ny polisy sasantsasany izay tafaresaka taminay.

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT