Sivily izay «Chargé de mission» an’ny minisitry ny polisy no mibaiko ny minisitra. Tsy azo ihodivirana io lehilahy mbola tanora io amin’ny fanindriana polisy.
Isak’izay miditra Kaomisaria izy dia tsy maintsy ekena sy tanterahina izay teneniny ary halamina izay dosie angatahiny, hoy ny feo avo re tetsy amin’ny kaomisaria Mahamasina. Rehefa tsy izany dia rahonany ny handroahana avy hatrany ny kaomisera na izay polisy mikasika ny dosie. Omaly ihany dia noroahina tamin’ny toerany io farany, izany hoe ilay kaomisera, rehefa tsy nanaiky ny didin’ilay “Chargé de mission”. «Tsy hanaiky izany aho ary lehilahy izay hiditra haka ny toerako eto amin’ity Kaomisaria ity. Tsy amin’ny tsy ara-drariny toy izany akory no fifandimbiasan-toerana eo anivon’ny polisy ary tsy sivily ihany koa no tokony hibaiko ny minisitry ny polisy sy ny polisy mpanao fanadihadiana» raha ny fanazavan’ny kaomisera Rakotonjanahary Fidèle. Omaly hariva ihany dia efa nobahanana fiaran’ny polisy ny vavahadin’ny kaomisaria.
Tsy vitan’izay fa avy hatrany dia nandray basy ary toy ireny vonon-kiady ireny ny polisy rehetra tao. Tsy hanaiky izy ireo raha tsy miala io “chargé de mission” io ary tena vonona amin’izay rehetra mety hihatra aminy, raha ny fanazavana azo. Mangataka ihany koa ireo polisy ireo mba ny Prezidansa no handray fanapahan-kevitra fa tsy ny governemanta intsony. Efa sangy mihoatra ny loha mantsy no mitranga ary efa be loatra ihany koa ny polisy tsy mandala io minisitra eo amin’izao fotoana io, hoy hatrany ny feo re. Atahorana hitatra ny zava-misy satria efa mandeha sahady ny resaka fa marobe ny polisy hanampy ireo namany ao Mahamasina momba ity raharaha ity. Be mantsy no efa lasibatr’ilay “chargé de mission”. Betsaka ihany koa no efa noroahina sy nafindra toerana noho ity farany.
Gaby
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.