Mafana ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona ho an’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.
Hetsika maro no efa vita nandritra iny herinandro nivalona iny, hoy ny Ben’ny tanàna Razafindratsimba Rado. Anisan’izany ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny mpanala fanadinana sy ny tanindrazana. Teo ihany koa ny famorana faobe maimaimpoana ho an’ireo zazalahy kely miisa 197 manerana ireo fokontany 12 isa, izay nitohy tamin’ny fetin’ny santa-bary sy ny santa-bokatra nanehoana ireo vokatry ny tantsaha tamin’ity taona 2016 ity. Tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena manokana ireo olona sahirana ara-pivelomana sy ireo zokiolona manerana ny fokontany ny zoma 24 jona ho avy izao, hofaranana amin’ny podium goavambe ny sabotsy 25 jona arahin’ny matso handraisan’ny mpianatra sy ny hery velona rehetra anjara ny alahady 26 jona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.