Actualités

Kaominina Manakara Misy fanodinkodinam-bola ?


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Nanomboka ny zoma lasa teo ary dia mbola nitohy omaly talata ny fanadihadiana atao amin’ireo mpiasa mikasika ny fitarain’izy ireo fa misy fanodikodinam-bola ao.

 Tompon’andraikitra ambony telo mianadahy avy ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany no manatanteraka izao asa fanadihadiana ao amin’ny Kaominina Manakara izao namaly ny antso nataon’ireo mpiasa fa antony tsy nandraisan’izy ireo ny karamany tao anatin’izay fito volana izay dia noho ny tsy fisian’ny fitantanana mazava ao amin’ny Kaominina. Misy ireo vola tokony hiditra ao amin’ny kitapom-bolan’ity Kaominina ity nefa dia nolazain’ireto mpiasa fa tsy voarotsaka ao izany. Niasa sabotsy sy alahady, araka izany, ireto mpanao fanadihadiana mba hanafainganana ny asa. Ny mpiasa ao amin’ny Kaominina rahateo dia milaza fa tsy hiasa izy ireo raha tsy miova ny PDS. Miandry izay vokatr’izao fanadihadiana izao moa ny mpiasa ao sy ny vahoaka ao Manakara ary miandry indrindra indrindra ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fanjakana manoloana ity raharaha ity raha mbola hanohy ihany ny gaboraraka sy ny mandeha ho azy fa tetezamita izany, hono !
Tsiahivina fa dimy sisa ireo mpiasa no miara-dia amin’ingahy PDS fa tsy araka ny nolazain’ny fampahalalam-baovao sasany fa mpiasa 14 no mitokona mitaky ny fanoloana ny PDS-n’i Manakara.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT