Kaominina Manakambahiny andrefana

> Mirongatra ny doro tanety


  • Talata 12 Novambra 2013


Isan-kariva dia rakotra afo ny tanety ao anatin’ny Kaominina Manakambahiny Andrefana, Distrikan’Ambatondrazaka. Manomboka mitatra any amin’ny Kaominina Andilanatoby izany. Toa tsy mahataitra ny mponina intsony ny fahitana ireny tanety may ireny. Samy mikaikaika anefa ny rehetra noho ny hainandro migaingaina izay mamaky loha sola. Manao ezaka amin’ny fanentanana ny vahoaka mba hampitsahatra ny doro tanety ny tompon’andraikitra ao amin’ny fiadidiana ny tontolo iainana sy ny ala Ambatondrazaka, kanefa toy ny rano araraka andamosin-gisa izany. Raha mitohy io doro tanety any an-toerana io dia hampanahy ihany ny hoavin’ny fambolena satria ny rotsak’orana tsy misy, ny tanimbary makiana tsy mety hiasana. Fantatra fa hatramin’ny fotodrafitrasa ara-pambolena dia may vokatr’io doro tanety io ka tokony hieritreritra ny rehetra.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT