Actualités

Kaominina Bongatsara Nahazo trano famakiam-boky vaovao


  • Talata 05 Jolay 2016

Raha nifampitadiavana ny trano famakiam-boky tao Bongatsara Atsimondrano roa taona lasa izay dia nahazo vaovao ireo mpianatra ao an-toerana.

 

 Ny faran’ny herinandro teo no nitokanana  ny fotodrafitrasa, fanomezana avy amin-dRamatoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena. Nambarany fa azon’ny rehetra ampiasaina ny trano na dia ho an’ireo kilonga madinika mbola  any amin’ny ambaratonga fototra aza no nanaovana azy. Toraka izany koa ny sarambabem-bahoaka, indrindra fa ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Mbola betsaka azy ireny mantsy ao amin’ity kaominina ity, indrindra fa ny vehivavy.  Ahitana ireo  karazam-boky rehetra ilaina ny trano famakiam-boky ka anisan’ny nanatevina izany ny loholon’i Madagasikara voafidy eny an-toerana. Nisy koa ny fanolorana fitaovana ho an’ireo ankizy madinika rehetra hiatrika ny fanadinana CEPE. Narahina fanolorana bodofotsy mafana ho an’ireo zokiolona  sahirana manerana ny kaominina  ny hetsika  ho fanampiana azy ireo amin’ny fiatrehana ny vanim-potoanan’ny ririnina.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT