Kaominina Beompy Toliara II

> Mitoka-monina, lasan’ny reniranon’i Fiherena ny lalana mirefy 500 m


  • Zoma 07 Febroary 2014

Noho ny ora-nikija nisesisesy tato ho ato dia dibo-drano ireo toerana iva, potika ny voly ary niakatra ny reniranon’i Fiherena ka hatahorana ho vaky indray ny fefiloha izay loza mananontanona ny tanŕnan’i Toliara isan-taona.

Ny talata teo vokatry ny oram-be sy ny fiakaran’ny rano, dia nokaohan’ny reniranon’i Fiherena ny lalana mirefy 500 m mampitohy ny kaominina Miary sy Beompy, ka tsy azo ifamoivoizana amin’izao, ny eo amin’ny PK 12. Marihina fa Beompy dia 28 km avaratra atsinanan’ny tanànan’i Toliara, izay kaominina mamatsy vokatra ara-tsakafo ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana.

 

Eo anatrehan’ity fahatapahan-dalana ity dia miaina ao anaty fijaliana tanteraka ny mponina any an-toerana, ka anaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana, mba hanamboarana faran’izay haingana sy mafy ity lalana matetika hisehoan’olana ity saika isan-taona. Nilaza sy nanamafy teo anatrehan’ny tompon’andraiki-panjakana ny Ben’ny tanàna, fa «efa tapaka sy simban’ny rivodoza Haruna ity lalan-dra sy havokavokay ity tamin’ny taon-dasa, nefa tsy nisy fanamboarana na dia nanaovana antso avo aza, dia izao izy tapaka sy potika tanteraka nokaohan’ny rano tsy azo andehanana izao».

Afak’omaly ihany dia tonga nijery ifotony ny fahavoazana tany Beompy ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Jeneraly Robert. Tamin’izany no nilazany fa hitady ny fomba rehetra hahazoana famatsiam-bola hanarenana haingana ny lalana ny tenany. Vahaolana vonjy rano vaky hitan’ny mponina aloha hatreto mba hahafahana mifamevizevy sy hamoahana ny vokatra mihitsoka, dia ny fanapoahana dinamita ny tendrombohitra mifanila amin’ity lalana ity, hahafahana mifamoivoy indray. Marihina fa ny Kaominina Beompy dia sompitra mamatsy mangahazo sy vokatra hafa ny tanànan’i Toliara.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT