Kaominina Belazao

> Mirongatra ny asan-jiolahy


  • Sabotsy 14 Desambra 2013

Miverina mirongatra indray ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny Kaominina Belazao, Distrikan’Antsirabe faharoa.

Ny omby sy ny mpivarotra no tena lasibatra, tsy andro sy alina fa dia manao ny ataony ny jiolahy mitam-piadiana mahery vaika ary miandahy miambavy mihitsy raha ny voalazan’ireo mponina tany an-toerana. Ny zoma 07 desambra lasa teo dia nisy fanafihana tao Mahatory-Miadakofeno. Jiolahy miisa telopolo ahitana vehivavy no nanafika andro alina. Lasan’izy ireo tamin’izany ny omby niisa sivy, ny efatra tamin’ireo no tafaverina fa ny dimy hafa tsy hita hatramin’izao. Ny alatsinainy 09 desambra indray dia teny an-tsaha no noraofin’ireo jiolahy ny omby ka nentiny niaraka taminy ny zazalahy kely niandry ny omby. Sendra toerana kizokizo moa dia navelan’ireo jiolahy ny omby sy ilay zazalahy ka mba avotra avokoa na ny olona na ny fananana. Ankoatra ireo moa dia nandrenesana vaky trano ihany koa ny kaominina Tritriva izay tsy lavitra eo ka fantatra fa fivarotana ity nisy namaky ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT