Kaominina Antsirabe Ambonivohitra

> Nivaha ny olana, hiverina hiasa ireo mpiasa


  • Zoma 15 Novambra 2013

Nivaha ihany ny olan’ny Kaominina Antsirabe ambonivohitra rehefa nifanenjana nandritra ny 34 andro ny mpiasa sy ireo mpitantana. Nifampiaro ny samy administratera sivily.

Ny alakamisy 14 novambra 2013 mantsy dia nidina nitafa nivantana tamin’ireo mpiasa nitokona ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Atitany, ny admnistratera sivily Rakotonarivo Thierry nifanazava sy nifandamina tamin’ireo mpiasa. Nambarany tamin’izany fa vola karama roa volana amin’ireo telo volana ihany aloha no azo tany amin’ny ministeran’ny fitantanan-bola, izay mitentina 240.000.000 Ariary, ankoatra izay dia hisy ny fepetra hapetraka mikasika ny fitakiana marobe nataon’ireo mpiasa toy ny fanesorana ny PDS izay administratera sivly sy ny ekipany. Tapaka fa hatsangana ny komity iraisana hanara-maso ny fitantanam-bola ka hisy olona 12 ao anatin’izany komity izay dia ny solontenan’ny mpiasa sy ny Delegasiona manokana, ny mpanolotsainan’ny tananan’Antsirabe ary ny solontenam-panjakana. Nambaran’ity tompon’andraikim-panjakana ambony ity ihany koa fa hisokatra manomboka izao ny fanadihadiana lalina mikasika ny fitantanam-bola eto amin’ny Kaominina Antsirabe ka aorian’izay vao ho fantatra na tena mila esorina ny Delegasiona manokana na tsia. Nambarany moa fa ho hentitra io dingana manaraka io ka tsy hitsisiana an’iza n’iza. Ankoatra izay moa dia nanolotra lelavola 20.000.000 Ariary hafa kosa avy tamin’ny Faritra Vakinankaratra ho fanohanana ny Kaominina Antsirabe. Ny tolakandro moa dia niroso tamin’ny fandrafetana ilay rafitra sy fampiofanana ireo mpikambana ao amin’ny delegasiona ity tompon’andraikitra ity niaraka tamin’ireo voakasika. Nanambara ireo solontenan’ny mpiasa fa mety amin’izy ireo aloha hatreto ny fametrahana ny rafitra ka raha milamina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Delegasiona manokana dia hiverina hiasa avy hatrany izy ireo. Ny omaly tolakandro ihany dia efa nanomboka ny fizarana ny karaman’ireo mpiasa, izay nozaraina nivantana izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT