Misaona ny sainam-pirenena ho an’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra.
Io no fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana, nandritra ny fananganan-tsaina isaky ny alatsinainy fanaon’ny ao amin’ny Fiadidiana ny tanàna. Izany no atao, manoloana ny zava-nitranga, asa fampihorohoroana nandritra ny lanonana teny Mahamasina ny alahady 26 jona teo, ka nahafatesana olona roa, ary naharatrana olona niisa 86. Manameloka izany asam-pampihorohoroana ny tsy manan-tsiny izany ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ankoatr’izay, tonga vao maraina teny amin’ny HJRA Ampefiloha izy sy ireo mpiara-miasa aminy, omaly, nankahery, nivimbina ny voatsirambin’ny tanana, ary nampionona ireo niharam-boina sy nidonam-pahoriana. Nanotrona ny Ben’ny tanàna teny amin’ny HJRA Atoa Marc Ravalomanana vadiny sady mpanolotsaina manokany ao amin’ny Kaominina ihany koa. Manameloka izao asa fampihorohoroana izao koa ny Filoha teo aloha izay nanambara fa “taratry ny mamparefo ny fahefan’ny mpitondra ireny zava-nitranga ireny”.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.